PolitiqueTatitra

Ady eo amin’ny Israël sy Hamas : Mitohy ny daroka baomba na efa nisy aza ny filankevi-pilaminana nataon’ny ONU

Mitohy hatrany ny ady. Na dia teo aza ny fifanarahana teo anoloan’ny Filankevi-pilaminana nataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, tamin’ny Alatsinainy teo, mba hangataka an’i Israely hampitsahatra ny fifampitifirana ao amin’ny faritr’i Gaza. Mbola nanohy ny asany hatrany ny tafika Israeliana, ary nanohy nandefa balafomanga tany amin’ny faritanin’i Israely ihany koa i Hamas. Vao maraina ny omaly talata, dia nandefa tatitra ny ministeran’ny fahasalamana ao an-toerana, fa olona 70 indray no maty ny alin’ny alatsinainy. Ireo tafika Israelianina izay nandefa daroka baomba tamin’ireo trano tao Rafah, any atsimon’i Gaza ka nahafatesana olona 15. Nandefa filazana fampisamborana am-polony tao Cisjordanie, Djenine, Beit Fajar akaikin’i Bethléem, ary tao amin’ny tanànan’i Dora, atsimon’i Mont Hébron ny fiarovan’ny tafika Israelianina. Mitohy hatrany tao anatin’izany ny fanafihana sy ny fitifirana amin’ny balafomanga ary ny fanapoahana ireo fitaovana mora mirehitra. Raha ny fanambarana napetraky ny filakevi-pilaminana avy amin’ny firenena mikambana, dia mitaky izy ireo ny hanatsaharana tsy misy hatak’andro ny ady, ary hamotsorana tsy misy arakaraka ireo babo sy takalon’aina, saingy hatreto tsy mbola nahitam-bokany izany.

Laisser un commentaire