ConseilTsidika

Torohevitra : Fanafody nify natoraly ary tena mahomby amin’ny alalan’ny goavy

Manan-karena vitamine C sy A ary betsaka antioxydants izay miady amin’ny virus sy bacteries ny goavy. Ny raviny mbola maitso no ilaina. Ny fomba fikarakarana azy : alaina ny raviny 5 ary totoina mandrampivoaka ny ranony izay vao ampiasaina. Rehefa ilay marary be iny ny nify no mampiasa azy. Araraka ao anatin’ilay nify marary ilay ranona ravina goavy. Avela milona ao mandritra ny 20 minitra eo ho eo. Mampiasa landihazo raha ny nify abony no marary mba tsy hampiraraka azy, sy mba hilona tsara. Hontsanina amin’ny rano matimaty avy eo. Atao manditra ny 3 andro misesy mba hamonoana ireo bibikely na olamanara izay mamparary ny nify. Marihina fa nify izay efa loaka ihany no hampiasana azy ity.

Laisser un commentaire