SocialTatitra

Ady eo amin’ny Israely sy Hamas: Palestinianina 300.000 no efa nandao an’i Rafah taorian’ny fanambarana nataon’i Tsahal

Nangataka ny hanatsaharana, tsy misy hatakandro ny fanafihana ataon’ny tafika amin’i Rafah, i Frantsa, i Etazonia kosa etsy ankilany, dia manameloka ny fanitsakitsahana ny zo maha olona ataon’i Israely, raha ny tatitra nataon’ny firenena mikambana, manoloana ny zava-misy ao Gaza amin’izao fotoana. Ny 07 oktobra 2023 no nanomboka ity ady eo amin’Israely sy Hamas ity. Mizaka ny mafy sy ny vokany ao anatin’izany ireo olon-tsotra. Amin’izao fotoana, mbola an-jatony ireo takalon’aina tsy misy mpanavotra, raha ny voalaza hatrany. Hatramin’ny herinandro teo, teratany palestinianina manodidina ny 300.000 no nitsoaka an’i Rafah. Ity toerana ity izay hany tokana nonenan’ireo palestinianina manodidina ny 1,4 tapitrisa. Izany moa dia vokatry ny fanambarana nataon’i Tsahal, mba handaozan’izy ireo ity faritra ity, noho ity faritra ity ivon’ny ady ka maha tadindon_doza ireo mponina.

Laisser un commentaire