ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Manomboka ny adina ara-panatanjahan-tena ho an’ny mpiadina BEPC

Natomboka tamin’ny herinandro teo ny adina ara-panatanjahantena ho an’ireo mpiadina ny fanadinana BEPC, ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Nisy ny fanokafana izany tamin’ny fomba ofisialy, nataon’ireo tomponandraikitra.

« Tanjona amin’izao fanokafana ny adina fanatanjahan-tena izao ny fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fiatrehan’ny mpiadina ity taranja ity  » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe ho an’ny mpianatra ny fahavitan’ity kianja ity. Tsy ny mpianatra ihany anefa no ahazo tombony, fa eo ihany koa ireo mpanao fanatanjahan-tena, ka hisaorana ny kaominina amin’ny ezaka fampandrosoana ny tanàna » hoy i Andry, mpampianatra.

Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny fanabeazana ny fandraisana an-tanana sy ny fanatsarana ireo foto-drafitr’asa mifandraika amin’izany. Anisan’ny manao ezaka ho fampivoarana izany manokana ny kaominina Talata Volonondry.

Laisser un commentaire