ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Nisy nanongotra ireo hazo napetraky ny mpianatra hanatsarana ny kianja

Nametraka hazo hanatsarana ny kianja sy mba hanatanterahana ny fanadinana BEPC ireo mpianatra tao an-toerana. Tapitra nisy nanongotra anefa ireo hazo natsatoka ka vitsy azo isaina amin’ny ratsan-tanana sisa tavela ao an-toerana, araka ny voalaza.

« Anisan’ny toe-tsaina mampalahelo ihany raha ny zava-nitranga tety amin’ny kianja. Ireo mpianatra nanao ezaka kabnametaka hazo hanatanterahana ny adina ara-panatanjahan-tena kanefa nalain’ireo tia kely ihany izany » hoy ny talen-tsekoly.

« Taratry ny fahantrana, indrindra ny fahantrana ara-tsaina ny tahaka izao. Izao no tsy mbola mampandroso ny firenena satria ny sasany manangana, miezaka manatsara, ny hafa kosa anega miezaka mangalatra sy tsy te hisasatra ka ny vitan’ny hafa indray no haripaka » hoy i Hary, mponina ao Talata Volonondry.

Marihina moa, fa hazo efa ho 25 isa no napetrak’ireo mpianatra tao amin’ity kianja ity. Ankehitriny, hazo 5 tamin’izany sisa no navelan’ireo mpangalatra.

Laisser un commentaire