Tantara : Inona no antony nanjehan’i Ranavalona I ny kristianina ?
Ny alin’ny 21 jona 1857 tamin’ny 2 ora maraina, andro Fetin’ny Fandroana no nolazaina hanatanterahina ity fikasana hanonganana an’i Ranavalona I ity. I Lambert sy Jean Laborde no namolavola ny paik’ady tany amin’ny Trano fonenan’ity farany tao Ambohitsorohitra. Ny Pretra Jezoita Finaz kosa no nanetsiketsika ny Mpivavaka. Teny amin’ny tranon’i Andriamizaka eny Atsimon’i Ankadifotsy no natao ny fivoriana. Hametraka an-dRakoto ho mpanjaka no tetika.
I Rakoto Efa nampanaovina taratasy sy nampanaovina Sonia taratasy nalefa tamin’i Louis Bonaparte, Ministry ny Varotra tamin’ny andron’i Napoléon III. Raharo, lehiben’ny Komandin’ny tafika kosa hanamora ny fidiran’ny Mpivavaka an-dapa miaraka amin’ny fitaovam-piadiana napetraka tany amin’i Jean Laborde toy ny sabatra, basy, antsy sy akanjo matevina. Niova hevitra anefa i Ratsimandisa ka nomeny an-dRainijohary ny lisitr’ireo Kristianina mihoko. Niova hevitra tetsy an-daniny Raharo. Nandamoaka ny fikasàna.
Noho izany rehetra izany no nandroahan’ny mpanjaka Ranavalona I an’i Lambert sy Jean Laborde, Marius, Bibikely, Clément na i Rakely (zanak’i Jean Laborde), Fontarabie, Ida Pfeiffer, Père Finaz, ny 18 juillet 1857 hiala teto Madagasikara. Miaramila 800 nalefa nanenjika ireo « Mpivavaka » tao anaty lisitra. Maro ihany koa ireo tandapa nivadika izay natao gadralava.
Nicole Rafalimananjara
