ActualitésTatitra

Namibie : Firenena isany vitsy mponina indrindra

Firenena ao atsimo andrefan’i Afrique i Namibie. Midadasika noho i Madagasikara izy ary manana velan-tany 825 418 km2. Isan’ireo firenena milamina sy tony indrindra nefa izy nohon’ny fahavitsian’ny mponina ao aminy. Firenena laharana voalohany vitsy mponina indrindra eto Afrique i Namibie ary laharana faharoan’ny farany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

« Bantoue » mainty hoditra ny ankahamaroan’ny mponina an-toerana. Fotsy hoditra sy Afrikaner ary Allemand ny 7%, Chinois ny 2% ary « Métis » ny 6,5%. Raha ny antontanisan’ny taona 2011 dia 2,1 tapitrisa ny fitambaran’ny mponina tao Namibie raha 27,69 tapitrisa amin’ny 587 000 km2 kosa ny eto Madagasikara.

Laisser un commentaire