Fizahan-tany: Famerenana ny fampiroboroboana azy taorian’ny covid-19
Toy ny firenena rehetra dia nanakatona ny sissintaniny ihany koa i Madagasikara nandritra sy noho ny fisian’ny covid-19. Latsaka an-katerena ireo mpisehatra amin’ny fizahantany nandritra izany ka amin’izao fisokafany izao dia manomana tolotra vaovao sy maro indray ny mpisehatra.
Mampanantena fivoaraan sy zava-bovao amin’ny sehatry ny fizahantany ho an’ireo vahiny sy ireo eto antoerana ny mpisehatra. Nosy lehibe i Madagasikara ka noho izany dia betsaka ihany koa ny zavatra azo atao mahakasika izany ary firenena faha 9 mahasarika mpizaha tany indrindra ty Afrika ihany koa i Madagasikara.
“Hatrizay dia niompana tamin’ny fizahantany amin’ny zava manan’aina sy ny fizahantany mifindrafindra ihany no tena nilofosana. Firenena lehibe isika ary nosy ka rariny raha mitady hevitra hafa ihany koa hisintomanaa mpizahatany maro isan-karazany. Azontsika atao izao ny hoe manolotra zavatra “luxe” ho an’ireny mpizahatany ireny, ao ihany koa ny fikarakarana fatoriana eny amoron-dranomasina ohatra. Izany rehetra izany anefa hatao amin’ny kalitao avo lenta avokoa”, hoy i Joël Randriamandranto, minisitry ny fizahantany.
Tsy maintsy miara-miasa amin’ireo manampahaizana sy ireo olona efa voky traikefa amin’ity sehatra ity raah te hampivoatra izany eto an-toerana. Izany indrindra no antony nisan’izao atrik’asa izao hahafahana manao latabatra boribory hamoahana ny vahaolana sy ny hevitra mety hampandrosoana ity sehatra ity.
Miisa 60 ireo manampahaizana ireo no hanome fampiofanana sy hanome torohevitra ho an’ireo mpisehatra amin’nyfizahan-tany eto Madagasaikara ireo.
Miora Raharisolo
