ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola : Nisy ny fivoriana faharoa mahakasika ny fifehezana ny fako

Tontosa ny alarobia 30 aogositra teo ny fivoriana faharoa, nataon’ireo tomponandraikitra misahana ny fako sy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, mahakasika ny fifehezana ny fako, tao amin’ny fokontany Iharamy, vohitra Talakimaso. Nandritra izany no nanolorana ireo paik’ady rehetra ahafahana mifehy ny fako sy manatsara ny fari-piainan’ny tsirairay avy, araka ny voalaza.

“Naroso nandritra ny fivoriana ny mahakasika ny fitantanana ny fako amin’ny ankapobeny. Ny rafim-pitantanana ny fako sy ny foto-drafitr’asa fitsinjarana ny fako. Voadinika ihany koa ny mahakasika ny fananganana fikambanana mpitsinjara fako, ny fanolorana ireo asa azo atao sy ahafahana manampy ny fidiram-bola amin’ny alalan’ny vokatry ny fako ary ireo fanentanana ho avy” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Ao anatin’izany ihany koa, hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny toerana fitsinjarana fako ao an-toerana. Hisy ihany koa ny hetsika ho atao eto amin’ny fokontany talakimaso entina hanomezana fanazavana misimisy kokoa mikasika ny hetsika” hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa fa niaraha-nidinika tamin’ireo mponina ao an-toerana ity fivoriana ity, ka tamin’izany no nihainona sy nitondrana fanazavana mahakasika ireo paik’ady fifehezana ny fako ireo.

Manitra R.

Laisser un commentaire