Danemark : Nirehitra ilay trano manan-tantara tao Copenhague
Nisehoana firehetana tao amin’ilay toerana antsoina hoe « Borsen » na ilay toerana manan-tantara iray ao Copenhague, omaly talata. Anisan’ny toerana manana ny mampiavaka azy satria, manana aavo hatrany amin’ny 54 metatra, ity ravan’ny afo ity. Izy ihany koa dia ivont-toerana fifanakalozana ara-bola ao Copenhague. Tonga ara-potoana ireo mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana tamin’ny fifehezana ity loza ity na teo aza ny haben’ny firehetana. Ity tranobe ity dia iray amin’ireo toerana manan-tantara indrindra ao amin’ny renivohitr’i Danemark. Naorina teo anelanelan’ny 1619 sy 1640 ity toerana ity, ary ny mpanjaka Christian IV no nanendry izany toerana izany.
