Tatitra

Maurice : « Terres des Sept Couleurs », toerana miavaka

Toerana misarika mpizahan-tany ao Maurice ny « Terres des Sept Couleurs ». Toe-tany (formation géologique) hita ao amin’ny Chamarel ao amin’ny distrikan’ny Rivière Noire izy io.

Milokoloko ny tany ao amin’io toerana io izay miendrika havoana tehezan-tendrombohitra. Misy loko fito teny miavaka io tany io araka ny anarany : mena, volontany, voloparasy, maitso, manga, mavo ary volomboasary.

Io trangan-javatra voajanahary io dia vokatry ny fitsonika sy fandalovan’ny « basalte » sy ny fiantraikan’ny toetr’andro mafana sy mando amin’ny « basalte ». Ny « sesquioxydes de fer » (Fe2O3) sy ny « sesquioxides aluminium » (AL2O3) kosa no mahatonga ireo loko samihafa ireo.

Laisser un commentaire