Afrique du Sud : Very olo-manga ny firenena
Anisan’ny olona nitolona ho an’ny fanoherana ny fanavakavahambolonkoditra i Desmond Tutu. Namoy ny ainy teo amin’ny faha 90 taona ny 26 desambra teo tao Cap izy. « Loharanon’aingam-panahy ho an’ny taranaka eran’izao tontolo izao i Desmond Tutu » hoy ny sekretera jeneralin’ny ONU, Antonio Guterres.Naneho ny alahelony lehibe ihany koa ny filoha Joe Biden mivady sy ny filoha sud-africain Cyril Ramaphosa ary ny mpanjaka vavy Elizabeth II. Hotanterahina ny 1 janoary izao kosa ny fanaovam-beloma azy ao amin’ny katedaly Saint-Georges ao Cap izay paroasiny teo aloha. Marihina fa arseveka anglikanina ny tenany.
