Ankadikely Ilafy : Mila jerena ireo andrinjiro mba hisorohana ny loza 
Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ny mponina ao Andombotany Ankadikely Ilafy, mba hisorohana ny loza. Mila jerena akaiky mantsy ireo andrindjiro efa tsy azo antoka intsony ka ahiana hitera-doza.
« Ho avy ity ny rivo-doza. Misy ireo poteau manamorona ny trano fonenana atahorana hianjera. Tokony jerena akaiky ny momba izany sao hitera-doza » hoy i Vonjy, mponina ao Andombotany. « Raha mianjera ihany koa ity andrinjiro ity, tsy fanatra ny loza ateraky ny herinaratra. Mila jerena mihitsy fa betsaka ny andrinjiro tsy azo antoka intsony aty » hoy i Nivo, renim-pianakaviana monina eny Ankadikely Ilafy.
« Tafiditra ao anaty loza fanairana isika izao. Fotoana izany hijerena ireo hazo, na andrinjiro na trano ahiana hitera-doza. Aleo misoroka toy izay mitsabo » hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny BNGRC.
Antenaina noho izany fa hamaly ny antson’ireo mponina any an-teorana ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama. Tsara ihany koa raha miala amin’ireny faritra atahorana ireny isika vahoaka.
Nicole Rafalimananjara
