SocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Nahazo vatsy ireo tra-boina

Nitondra fanampiana ho an’ireo tra-boina tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny avy ao amin’ny fikambanana Fitia. Ireo tra-boina tao amin’ny fokontany Belanitra sy Antanandrano, izay tena voa mafy tamin’ilay andro ratsy, no nisitraka izany.

« Voninahitra ho an’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy ny mandray Ray aman-dReny lehibe eto amin’ny firenena toy izao. Tsy nitazam-potsiny mantsy ny vadin’ny Filoham-pirenena nanoloana ny voina nihatra tamin’ny vahoaka tato anatin’ny kaominina » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rija Rajaonah. « Faly ny fikambanana Fitia manolotra izay mba vitany. Misy vatsy samihafa hita ato, eo ihany koa ny jiro mandeha amin’ny masoandro ho an’ny rehetra. Ahitana kidoro sy koba aina ihany koa”z hoy i Mialy Rajoelina, filoha mpanorina ny fikambanana. « Tena fihetsika mendrika sy mampihetsi-po tokoa izao ataonareo izao. Misaotra sy mankasitraka indrindra. Tsy irery izahay fa misy reny miahy » hoy i Tahina, isan’ireo tra-boina.

Tonga nizaha ny fahasalaman’ireo tra-boina ihany koa ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Miara-miezaka ho amin’ny fampandrosoana tokoa isika. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire