Analanjirofo : Nitohy ny fitsidihana ireo mpiompy trondro
Asa fandraharahana mahomby amin’ny tontolo ambanivohitra ny fiompiana trondro. Efa miezaka manohana izany ireo tompon’andraikitra, izay nanohy ny fitsidihana ireo mpiompy trondro tany amin’ny faritra Analanjirofo. Raha tsiahivina dia efa nanomboka ny volana janoary teo amin’ny faritra Analamanga, Anosy, Itasy ary Amoron’i Mania izany.
Ireo solontena avy ao amin’ny SRPEB sy ny « chef de division Aquaculture » ao Fenoarivo Atsinanana no nandeha ifotony nijery izany, ka ireo mpiompy trondro « tilapia » tao amin’ny fokontany Amparatanana kaominina ambonivohitra Fenoarivo Atsinanana no nojerena tamin’izany. « Miroborobo ity sehatra ity » hoy ireo tompon’andraikitra. Nanazava izy ireo fa misy mpiompy trondro iray nanana dobo miisa 18 ao an-toerana : ireo « étang de géniteur » ny 4 amin’izany izay mirefy 100 m2 tsirairay, « étang d’intermédiaire » mirefy 100m2 tsirairay ihany koa ny roa, ary « étang de Grossissement » miisa folo iraika amby izay mirefy 3300 m2 ny ambiny.
Olana sedrain’ny mpiompy trondro kosa ny lafiny tekinika. « Mangataka fanampiana amin’ny minisitera amin’ny lafiny fampiofanana, indrindra nangataka « certificat » ho an’ireo mpamokatra « géniteur » tsara kalitao ary mifanaraka amin’ny faritra misy mba hialana amin’ny fanafarana avy lavitra » izahay hoy ireo mpiompy ao an-toerana.
Hasina Rasamimanana
