Anosy Avaratra : Namboarina ny lalankely ao Lazaina
Namboarina ny lalankely ao amin’ny fokontany Lazaina, ao Anosy Avaratra Avaradrano. Miomana sahady amin’ny mety halaman’ny lalana ny avy ao amin’ny kaominina.
« Betsaka ny mpivezivezy amin’ity lalankely ity. Manahirana anefa ny mandeha eto noho izy malama rehefa avy ny orana. Ho avy ny rivo-doza izay hisian’ny rotsak’orana arahin-drivotra. Tsy maintsy mandray andraikitra izahay » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. « Tena mankasitraka amin’izao fanamboarana izao. Tena ilaina tokao ity lalana ity. Malama be mantsy eto ka tsy laitra andehanana raha tsy vita teo » hoy i Herilanto, mponina ao lazaina Anosy Avaratra. « Manan-danja lehibe mihoatra ny lalana migodana ny lalankely noho izy tena manakaiky ny mponina eny ifotony. Tsy tokony ho atao ambanin-javatra izy ireny raha tena fampandrosoana no resahina » hoy i Garry, manam-pahaizana mikasika ny asa vaventy.
Nankasitraka izao fotodrafitr’asa izao ny mponina ao Lazaina. Hita fa tena ilaina amin’ny andavan’andro tokoa ity lalankely ity.
Nicole Rafalimananjara
