ActualitésTsidika

Raikitra ihany ny seho goavana ataon’ny tarika Rebika

Efa manomboka miverina miakatra an-tsehatra ankehitriny ireo mpanakanto Malagasy ary isany amin’izany ny tarika Rebika. Tokony nanamarika ny faha-30 taonany tokoa mantsy izy ireo tamin’ny taona lasa saingy noho ny toe-draharaha nisy dia voatery najanona izany.

Tsy hofoanana anefa izany fa hahemotra fotsiny ihany ka ny 19 desambra ho avy izao ny daty nosafidian’izy ireo hiakarana an-tsehatra amin’io tsingerintaona io. « Efa azo ny daty, hampahafantarinay tsy ho el any toerana fa mbola anatin’ny fiandrasana ny valin’ny fanagatahana izahay izao » hoy ny tompon’andraikitra tao amin’ny Mi’Ritsoka Production, isan’ny mpikarakara.

« Ny azo antoka dia ankalamanjana ilay toerana satria araha anaty efitrano dia mbola misy ny famerana ny mpijery kanefa fantatray fa efa tsindrindaona ianareo mpankafy, efa roa taona izao no tsy nihaona isika teny an-tsehatra teto Antananarivo » hoy ny avy ao amin’ny Tarika Rebika. « Nanamarika ny fahazazana ary mbola nodiavina nandritra ny fahatanorana ny tarika Rebika, koa mirary soa azy ireo izahay mpankafy ary tsy hamela azy ireo irery mandritra io sehatra io » hoy i Manampy, mpankafy ny tarika. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny tarika sy ny Mi’Ritsoka Production noho izany no hahafahana manatanteraka izao seho izao ary ity no seho goavana voalohany ho an’ny Mi’Ritsoka Production taorian’ireny hamehana ara-pahasalamana ireny. Antenaina ny hahatongavan’ny daty soa aman-tsara ary hirariana ny hahatongavan’ny 30 taona manaraka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire