ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Tondraka ny rano amin’ireo tanim-bary manodidina ny lalam-be migodana

Vokatry ny orana nisesisesy saika nanerana ny faritra maro teto Madagasikara, tamin’ny herinandro lasa iny, betsaka ireo lalana simba ary efa maro ireo renirano niakatra sy tanimbary feno rano nandritra izany, ho an’ny faritra Avadrano. Araka ny voalaza, tondraka ny rano an-tanimbary ao amin’ny kaominina Talata volonondry, ary voakasik’izany ny fanamboarana ny lalambe migodana (autoroute).

« Olana lehibe na ho an’ny tantsaha na ho an’ireo mpanao lalana ny vokatry ny orambe izay nisesy. Simba ny lalana amboarina, ireo tanimbary kosa tototr’ireo tany vokatry ny fanotofana » hoy i Aina, mponina ao Talata Volonondry.

« Mialohan’ny fanganana foto-drafitr’asa lehibe tahaka izao, mila jerena sy halalinina ihany ny mahakasika ireo hodidina isan-karazany toa ny toe-tany, ny toetr’andro sy ny maro hafa mba hialana amin’ny fahasimbana fahatany sy ny fatiantoka isan-karazany » hoy i Haja, mpanatanteraka tetikasa.

Anisan’ny olana mahatonga ny rano hiandrona amin’ireo tanimbary ao an-toerana moa araka ny voalaza hatrany, dia ny fanotofana ireo tata-drano izay fivarian’ny rano ao an-toerana, noho ny fanamboarana ny tetik’asa lalambe migodana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire