ActualitésTsidika

Alasora : Fampisehoana isan-kazarany no hankalazana ny fetim-pirenena

Hisy ny fankalazana ny fetim-pirenena amin’ity taona ity ao Alasora. Fampisehoana maro isan-karazany no entina hankalazana izany izay iarahana amin’ireo mpanakanto maro.

« Ao amin’ny Kianja maitso Alasora no hankalazana ny 26 jona amin’ity taona ity ho an’ny Kaominina Alasora. Hisy ny fampisehoana ny 25 jona. Hisy ihany koa ny afomanga » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Tsy misy ny vidim-pidirana mandritra io fotoana io. Hiara-hifaly sy hikorana isika ho fankalazana ny faha 62 taona nitsingerenan’ny fahaleovantena » hoy ny hatrany izy ireo.

Samy manomana hetsika ho an’ny mponina ao aminy avokoa ny « aominina tsirairay eto Avaradrano.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire