ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Tontosa soa aman-tsara ny hetsika ara-kolotoraly « Donakafon’i Betsizaraina »

Tontosa ny alin’ny 5 jona teo ny « Donafakon’i Betsizaraina ». Ny avy ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely no nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy.

« Isaky ny herinandro mifanandrify amin’ny fetin’ny Pentekosta ny fotoana fanatanterahana ny donakafon’i Betsizaraina. Efa zary fomba amam-panao eto mihitsy izy ity » hoy ny avy ao amin’ny Fikambanana ANOB na (Amicales des Natifs Originaires de Betsizaraina). « Ny Donakafo dia seho sy hetsika kolotoraly fanta-daza ary reharehan’ny tananan’i Betsizaraina sy ny kaominina Ambohimangakely. Amin’io no ambohi-pihaonan’ny mponina eto sy ny manodidina amin’ny zanaka ampielezan’i Betsizaraina sy ny faritra Analamanga sy ny manodidina ary ireo taranaka avy any ivelany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely.

Betsaka tokoa ireo tonga nanotrona izany fety izany, izay nofaranana tamin’ny nofonkena mitaham-pihavanana sy fampisehoana isan-karazany. 60 taona izay no nisian’izany ary 6 taona no niverenany indray.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire