ActualitésTsidika

Mali : Nanameloka an’i France ho nampisara-bazana ny firenena ny praiministra

« Nosarahin’i France i Mali » hoy ny praiministra Choguel Kokalla Maïga. Nanameloka an’i France ho ninia nanasaraka ny firenena tamin’ny alalan’ny fanampiany ara-tafika an’i Mali izy.Praiministra napetraky ny fitondrana miaramila nanongam-panjakana i Choguel Kokalla Maïga. Nangataka fivoriana tamin’ireo diplomaty tao Bamako izy ary nanameloka an’i France nandritra ny 45 minitra saingy tsy nangataka ny fampodiana ireo tafika miady amin’ny « jihadiste » tarihin’i Paris.Marihina fa mbola mizaka ny sazy napetrakin’ny Cédéao i Mali amin’izao fotoana. Sazy izay ankatoavin’i France sy ireo firenena hafa mpiara-miasa aminy. Sokajian’i Choguel Kokalla Maïga ho tanjon’i France hanemorana sy hitotofany ny toekaren’i Mali ho an’ny tombotsoany io sazy io.

Laisser un commentaire