Ankadikely Ilafy : Nisy ny lalao fanokafana ny « Tournoi foot ball Open challenge 2022 »
Nisy ny lalao fanokafana ny « tournoi foot ball open challenge 2022 » tao amin’ny kianjan’ny Fifankatiavana Ankadikely, kaominina Ankadikely Ilafy, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Ity fifaninana ity izay karakarain’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ary klioba 15, avy ao an-toerana sy avy amin’ireo kaominina hafa manodidina no mandray anjara ao anatin’izany.
« Ny ekipan’ny Génération Antanandrano sy ny « ATM » Mandrosoa no nanokatra ny lalao baolina kitra « Tournoi Foot Ball Open Challenge 2022 » tamin’ny andron’ny sabotsy, nirava tamin’ny isa 1 noho 0 ny lalao ka nadresy tamin’izany ny « ATM » Mandrosoa. Nisy lalao telo hafa tao aorian’io ka nifandona tamin’izany ny « FC Miray » Sabotsy-Namehana (5) sy ny « ACM » Manjakaray (0), ny « AMIS » Analamahitsy (5) nifanandrina tamin’ny ASM Moratelo (3) ary ny namarana azy dia ny lalao teo amin’ny « Rovan’Ilafy » sy ny « Lion d’Or » Anosy-Avaratra. Mbola nitohy ny andron’ny alahady ny fifanitsanana » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Ankoatra ny asa fampandrosoana ny kaominina, anisan’ny manome lanja ny fanatanjahan-tena ihany koa ny kaominina Ankadikely Ilafy. Zava-dehibe tokoa ny fanomezana sehatra ny fanatanjahan-tena tahaka izao, indrindra manome toerana ny tanora mba tsy ho variana amin’ny zavatra hafa » hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.
Anisan’ny taratry ny fandraisana andraikitra ao anatin’ny kaominina ny fijerena ireo sehetra rehetra isan’ambaratongany, indrindra fa ny tanora sy ny fanatanjahantena. Manampy ny tanora amin’ny fivelarana tokoa izany, ary mampiray azy ireo amin’ny hafa.
Manitra Ramanantsoa
