Portugal : Miandry zaza kambana indray i Cristiano Ronaldo
Nanambara tao amin’ny tambajotra Instagram i Cristiano Ronaldo sy i Georgina Rodriguez ny herinandro lasa teo fa miandry zaza kambana izy roa. Efa bevohoka 12 herinandro i Georgina Rodriguez hoy ny gazety Hola ary amin’ny 2022 no andrasana ny zazakely, raha ny fanazavany.
Nanomboka ny taona 2016 i Cristiano Ronaldo sy i Georgina Rodriguez no niaraka, Alana Martina no zanak’izy ireo voalohany, teraka ny taona 2017. Efa manan-janaka 3 hafa ihany koa ity olo-malaza ny baolina kitra ity, i Cristiano Ronaldo Junior teraka ny taona 2010 ary ny kambana Eva sy Mateo teraka tamin’ny taona 2017 ihany koa.
Hiakatra enina ny zanak’i Cristiano Ronaldo ary raha tsiahivina ny resaka nifanaovany tamin’ny France Football tamin’ny taona 2017 dia fito ny zaza iriany, amin’ny maha « CR7 » azy.
