Actualités

Sabotsy Namehana : Nozaraina karatra famantarana ireo mpanera sy dokera

Nandray an-tanana ary nirotsaka an-tsehatra nizara karatra famantarana (badge) ho an’ireo mpanera sy dokera ao an-toerana ny avy amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, ny alatsinainy teo. Ny hanavahana ireo misehatra amin’ity asa ity sy mba hanomezana lanja ny asan’izy ireo no nanomezana izao famantarana izao, raha ny voalaza.

« Natao indrindra izao fanomezana karatra izao ho an’ireo dokera sy mpanera miasa eto amin’ny kaominina izao mba hanomezan-danja ny asa sahanin’izy ireo, ankoatra izay mba hanavahana ny tsiparifary amin’ny vary satria tena misy ireo misehatra amin’izy io no manao tontakely » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.

« Tena mety mihitsy ny fandraisana an-tanana ny sehatra tahaka izao satria tena maro tokoa izy ireo ka tsy fantatra intsony ny tsara sy ny ratsy. Mitaky fanaraha-maso indrindra amin’ny tomponandraikitra izao mba tsy hisian’ny fetsifetsy amin’ny asa ratsy » hoy i Nadia, mponina ao Sabotsy Namehana.

Zava-dehibe tokoa ny fandraisana andraikitra tahaka izao. Eo ihany koa, anisan’ny mampianatra ny olona hampihatra ny fanarahan-dalàna. Ao anatin’izany indrindra, araka izany ny hanentanana ny mpivarotra, ny mpandraharaha mba hampiasa azy ireo araka ny tokony ho izy.

Manitra R.

Laisser un commentaire