ActualitésTsidika

John Lennon : Ny fahasambarana no antoky ny ho avy

Tsy mbola nisy olombelona tsy nanam-paniriana ny ho sambatra izany eo amin’ny fiainana. Amin’ny alalan’ny ezaka izay atao isanandro anefa no hahatsapana izany. Vokatr’izany, rehefa sambatra ny olona iray dia hitoeram-pivoarana lalandava ary fahombiazana no ao ambadik’izany.

Efa voajanahary ao anatin’ny olombelona ny manam-paniriana ary mazava ho azy fa faniriana ny te ho sambatra. Kanefa miankina amin’ny ezaka atao isanandro no ahafahana mahazo izany hasambarana izany. Maro ny zavatra raiketin’izany fahasambarana izany, toy ny hoe fivoarana, firosoana ho any amin’ny tsaratsara kokoa izay mitondra mankany amin’ny fahombiazana. Ireo ankizy rehetra hampidirina an-tsekoly dien’ny mbola kely dia ampiana sahady hikatsaka izany fahasambarana izany. Any an-tsekoly mantsy no loharano afaka handratoana ny fahasamabarana izay tsy afa-misaraka amin’ny fahombiazana. Fehiny, rehefa sambatra ny olona iray no atao hoe tafita ary izany indrindra no atolotr’i John Lennon amintsika eto.

« Tsy afa-misaraka tokoa aloha ireo teny ireo e ! Tsy misy olona nahomby ka hoe mbola tsy sambatra izany raha hoharina amin’ny toerana misy ahy manokana » hoy i Stéphanie, mpandraharaha. « Tsy voatery hoe sambatra rehefa nahita fahombiazana. Misy zavatra tsy feno foana aho ka manakana anao tsy hahita izany fahasambarana izany » hoy kosa i Denis, tanora te handraharaha.

Anisan’ny teny manan-danja anefa ity teny natolotr’i John Lennon antsika ity : « rehefa nandeha nianatra aho dia nanontany ahy izy ireo hoe inona no tiako hatao rehefa lehibe aho. Namaly aho hoe « sambatra ». Nilaza tamiko izy ireo fa tsy azoko ilay fanontaniana, namaly aho hoe tsy azony ny fiainana. Noho izany, tsy voatery ho tanteraka foana ny nofinofinao vao ho sambatra ianao. Maro mantsy ny zavatra haterak’izany fa tsy voatery hoe rehefa mahazo fahombiazana ihany vao manana fahasambarana ».

Dien’ny fahazazana no fikatsahana sahady izany fahasambarana izany. Saingy, tsy tongatonga ho azy fotsiny izany raha tsy arahina ezaka. Arak’izany, ireo rehetra manao ezaka ve dia hahita fahasambarana ? Ny olona sambatra rehetra ve dia afaka ny hahomby avokoa ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire