Faneva Ima : Voaantso indray hanatevin-daharana ny Barea.
Fanapahan-kevitra izay anisan’ny nanaitra sy nahagaga ny sain’ny maro ny fiantsoana indray ny kapitenin’ny ekipam-pirenena Barea teo aloha ity. I Faneva Ima izay efa niato teo amin’ny sehatry ny baolina kitra amin’y ekipampirenena Malagasy taorian’ny Coupe d’Afrique des Nations. Antony nijanonany ny faniriany hanangana clioba vaovao hanofanana tanora maro amin’ny baolina kitra. Tetsy amin’ny kianjan’ny mahamasina moa ny lalao farany natrehany. Tsy nitsahatra ny nanohana sy nanome fankaherezana ireto namany kosa anefa izy na dia nitsahatra tsy nanohy intsony ny lalao aza. Ankehitriny anefa, toa nahagaga ny mpitia baolina kitra ihany ny fanapahan-kevitry ny mpanazatran’ny Barea, Nicolas Dupuis, ny alakamisy lasa teo, nandritran’ny fotoana nilazana ireo anaran’ny ekipa hiatrika ny lalao hifanandrinan’ny Niger sy Ethiopie. Voalazany tamin’izany fa mbola tsy fantatr’i Faneva izao fanapahan-kevitra izao, ilaina izy eo amin’ny lafiny ara-moraly sy ara-tekinika. Marina tokoa fa anisan’ny nisongadina ity mpilalao ity tamin’ny fotoana naha teo an-kianja ny tenany. Eny, na efa tsy teo intsony aza, tsapa ny mbola fitiavany azy ireo. Tsy nitsahatra ny nanentana ny Malagasy aminn’ny fanohanana ireto namany izy na tsy teto an-toerana aza tamin’ny lalao farany teo. Tsiahivina fa tsy mipetraka eto an-toerana i Faneva fa any Arabie Saoudite. Manampy ny fitiavany baolina kitra ny fitiavany ny tanindrazany. Anisan’ny mirehareha ny maha malagasy azy izy. Na teo aza ny fahatairana sy fahagagan’ny olona mahakasika an’ity fiantsoana azy ity, tsy manakana ny fitiavan’ny Malagasy maro ny ekipam-pirenena izany. Maneho ny fahavononany hanohana hatrany ny vahoaka Malagasy satria tanjona ny fandresena. Alefa Barea !
Fanilo Rarivoarilala
