Talata Volonondry: Mizotra miandalana ny fanamboarana ny EPP ao Falimanjaka
Misy ny fanamboarana sy fananganana sekolim-panjakana vaovao na EPP ao amin’ny fokontany Falimanjaka, kaominina Talata Volonondry amin’izao fotoana izao. Mizotra miandalana ny fanatanterahana izany asa fanamboarana izany, raha ny voalaza.
« Miezaka hatrany ny ben’ny tanàna mitady mpiara-miasa mba ahafahana mamita ny foto-drafitr’asa. Hisaorana VIVO Energie tamin’ny fanolorana fanitso mba hanafoana ny sekoly » hoy ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina Talata Volonondry
« Zava-dehibe ny fanorenana sekoly ety anivon’ny fokontany. Izao no ahafahana mampianatra sy ahazoan’ny ankizy fahalalana ka tsy tokony atao ambanin-javatra ary ny fianarana sy ny fahaizana no lova tsara indrindra » hoy hatrany ny fanazavana.
Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fanomezana lanja ny fampianarana sy ny fanabeazana. Miainga eny ifotony tahaka izao izany ary mila ezaka sy fanohanana raha tiana ny hampamiratra ny ho avin’ireo ankizy malagasy.
Manitra R.
