Fanatanjahantena : Laharana faharoa tamin’ny latsaky ny 61 taona amin’ny fibatana fonjam-by i Madagasikara
Dépêche 23 mai, 13h, Nanana solontena indray i Madagasikara tamin’ny fiadiana ho tompon-daka eran-tanin’ny fibatana fonjam-by. Iray ihany izany dia I Jules Anthonio Andriamahefa no nitondra avo ny voninahi-pirenena tamin’izany taranja izany. Laharana faharoa ny tenany ka nitondra ny medaly volafotsy nody tamin’ny latsaky ny 61 kilao. Nanambara moa ny federasiona fa tsy mitsaha-miakatra ny fahaizan’ireto Malagasy ireto amin’ity taranja ity.
