Kolontsaina: Homena sehatra indray ny kolontsaina Sihanaka mandritra ny hetsika “Zetra”
Henim-boninahitra indray ny kolontsaina Sihanaka ny 24 sy 25 jona ho avy izao mandritra ny hetsika “Zetra”. Hasongadian mandritra izany ireo kolontsaina mampiavaka ny foko Sihanaka indrindra ny mozika “hosika”. Hotanterahina ao amin’ny Renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro ny hetsika. Ankoatra ny fampahafantarana ny mozika “hosika” dia fotoana iray hanentanana ny olona amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ity.
“Nomena ny anarana hoe Zetra ity hetsika ity satria ny Zetra dia anisan’ny toerana iray miantoka ny toe-karen’ny mponina any an-toerana. Any anatin’ny zetra ihany koa dia maro ireo zava-manan’aina mivelona ka anisan’ny fotoana iray hampahafantarana izany ity fotoanaity. Entina indrindra hanentanana ny olona amin’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fampahafantarana ireo biby sy zava manan’aina mivelona amin’ireny toerana hiasan’izy ireo ireny”, hoy ny avy ao amin’ny Telma, mpanohana ny hetsika.
Fotoana hanehoana ny hatsaran’ny kolontsaina Sihanaka ity hetsika ity ka maro ireo zavatra ho hita mandritra ny hetsika. Ankoatra ireo fampisehoan’ireo mpivazo ny “hosika” dia hisy ihany koa ny varotra fampirantiana isan-karazany.
“Mbola vitsy ny olona no mandeha any Alaotra noho ireo honohono sy ny tsy fahafantarana ny mahaliana any an-toerana. Araka izany dia hanatanteraka “voyage organisé” ny Liberia Aventure ao anatin’ity hetsika ity. Afaka hianoka ny toerana rehetra azo tsidihina amin’iny faritra iny araka izany ireo mpitsidika sady handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toe-karena any an-toerana amin’ny alalan’ity hetsika “zetra “ity”, hoy ny avy ao amin’ny Liberia Aventure.
Mahafinaritra ity hetsika ity ary tena tokony ho liana amin’izany ny rehetra hahafahana mampandroso ny faritra tsirairay. Hanana ny anjarany ihany koa ny mpandraharaha raha te hiasa any an-toerana. Mbola malalaka ny lalana.
Miora Raharisolo
