Etats-Unis : Voaheloka higadra 30 taona ilay reny nanadino ny zanany tao anaty fiarany
Niakatra fitsarana tao Etats-Unis i Megan Dauphin, 32 taona manoloana ny raharaha nahafaty ny zanany 7 herinandro monja. Raha tsiahivina dia tao Panama City, Floride no niseho io tranga io. Nandeha nivoaka nividy sigara i Megan Dauphin niaraka ny zanany vavy io Megan Dauphin ary rehefa niverina izy ka tonga tao an-tranony dia adinony tao anaty fiara ny zanany.
Ny zanaky ny vadiny no nanontany azy momba ilay zaza vao tonga saina izy fa adinony tao anaty fiara ilay zazakely. Efa matin’ny hafanana tao anatin’ny fiara nefa ilay zaza vao nahatsiaro ilay reniny. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nahitana « méthamphétamine » tao amin’ny rà an’ilay renim-pianakaviana tamin’ny andro nisehoan’ny tranga ary nahita zava-mahadomelina ihany koa tao amin’ny trano fonenany.
Manoloana ny tranga dia voaheloka higadra 30 taona an-tranomaizina i Megan Dauphin.
