Dépêches

Mahajanga : Kamiao mpitatitra solika maro ravan’ny afo

Dépêche 23 mai, 12h, Nisehoana tranga mampivarahontsana tao Mahajanga omaly tolka’andro. Fiara « citerne » mpitatitra solika no ravan’ny afo tao amin’ny toby fiantsonan’izy ireo tao Antanimalandy. Tsy nisy ny aina nafoy. Niteraka fahasimbana fitaovana maro izany fipoahana izany satria vetivety dia niparitaka ny afo. Marihina fa mbola nisy solika tao amin’ny fiara iray izay may ka nahatonga ny fipoahana ho nahery vaika ka nanaitra ny olona maro. Mbola tsy fantatra ny fototry ny afo ary efa eo andalam-panadihadiana ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.

Laisser un commentaire