Fanatanjahantena: Ratsy ny fanomanana ho an’ny taranja lomano amin’ny Lalaon’ny Nosy
Aty amin’ny zato andro alohan’ny fotoan-dehiben’ny Lalaon’ny Nosy dia mbola tsy tomombana tsara ny fanomanana raha ho an’ny taranja lomano. Mbola anatin’ny fiandrasana ny fandraisana andraikitry ny Ministera ireo mpikatroka lomano amin’izao ftooana izao. Manana fanantenana kosa anefa izy ireo taorian’ilay fivorian’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny Lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indiana ny herinandro lasa teo.
“Mbola tena ampiandrasana ny fanapahan-kevitry ny Ministera izahay hatramin’izao satria ny fotodrafitr’asa hahafahana manoman-tena dia tena manahirana sady tsy misy mihitsy. Hatramin’izao dia mbola tsy nisy ny fampivondronana ny ekipa. Ny tsirairay ihany koa anefa nijanona tamin’ny fanomanan-tena noho ny vanim-potoan’ny ririnina. Ny fotodrafitr’asa tsy misy afaka ny handray arak any toe-javatra misy”, hoy ny avy ao amin’ny Ligim-paritry ny lomano ato Analamanga.
Maneho ny heviny amin’ny tsy fahatomombanan’ny fanomanana ihany koa anefa ireo mpilalao. “Efa nampanantenaina ny handefasana anay ho amin’ny fizarana any ivelany. Misy ireo efa lasa nanatanteraka izany ny taranja sasany, izahay hatramin’izao mbola miandry hatrany. Nye to an-toerana ihany koa anefa tsy miraharaha anay ka miandry vasoka hatrany izahay”, hoy ny solontenan’ireo mpilalao.
Marihina fa tamin’ny fanambaran’ny Filoham-pirenena nandritra ny fanolorana ireo fitaovana hahafahana manoman-tena sasany ny herinandro teo dia nilaza ny tenany fa mila mahazo medaly ny taranja tsirairay. Mampanahy ihany anefa izany raha ho an’ny taranja lomano ka izany indrindra no hanairan’izy ireo ny tompon’andraikitra.
Miora Raharisolo
