ActualitésTatitra

France : 96% amin’ireo frantsay tratran’ny COVID no tsy nahavita vaksiny

Nandritra ny nandehan’ny Minisitry ny fahasalamana any France Olivier Véran tany Chambéry any Savoie ny 15 jolay lasa teo no nanambarany fa ny 96% amin’ireo marary ny Covid any France no hit afa tsy nanao vaksiny mihitsy. Ari amin’izany indrindra no ilazany fa zava-dehibe ny fanaovam-baksiny ho fiarovana ny aretina. Efa maherin’ny 5000 isan’andro izao ny trangan’ny aretina hita any France. Nilaza ity Ministra ity fa 6 000 ny marary isan-kerinandro ary nahatratra 10 000 ao anatin’ny 15 andro, mety hiakatra any amin’ny 20 000 izany amin’ny volana aogosotra raha tsy mitandrina ny mponina ao France. Manomboka mahazo vahana any an-toerana ny “variant Delta” ary izany indrindra no handresen-dahatra ny mponina ao Frantsa mba hanao vaksiny ka ahiana ny hidiran’i France amin’ny andiany fahefatra amin’ity valan’aretina ity raha tsy mazoto manao vaksiny izay vahaolana amin’ity aretina ity ireo Frantsay.

Laisser un commentaire