Pays-Bas : Namoy ny ainy ilay mpanao gazety mpanatsikafona Peter de Vries
Naratra mafy vokatrin’ny tifitra bala nahazo azy teo amin’ny lohany ny 6 jolay lasa teo i Peter de Vries raha iny nivoaka ny televiziona iray. Niezaka nomena fitsaboana izy saingy tsy tana intsony ny ainy ny 15 Jolay lasa teo. Ny fianakaviany no nanambara ny fahalasany tao amin’ny gazetin’ny Parisien. “Efa niezaka niady i Peter saingy tsy nivoak aho mpandresy izy ary maty” hoy ny olona akaiky ity mpanao gazety ity. Nandray anjara tamin’ny fandaharana “talk-show” izy ny 6 jolay teo ary raha iny nivoaka iny no nisy nitifitra teo amin’ny lohany fa kosa tsy maty teo no eo ary mbol anentina namonjy hopitaly ka 9 andro taty aoriana vao namoy ny ainy tao an-drenivohitr’i Pays-Bas. Nanome tsiny izao vono olona izao ny olon’ny politika maro toy ny Praiministra any an-toerana sy ny Filoha ny filan-kevitra any Eoropa, Charles Michel.
