ActualitésTatitra

Maurice : Isan’ny firenena aty Afrique nahay nitantana ny fisondrotan’ny vidim-piainana ny nosy

Tafiditra ao amin’ny lisitrin’ny firenena 10 voalohany aty Afrique nahay nitantana indrindra ny fisondrotan’ny vidim-piainana ny nosy Maurice raha ny tatitrin’ny Business Insider Africa. Mivoaka tranokala ao amin’ny Trading Economics izany lisitra izany izay mirakitra ny angon-drakotra ara-toekaren’ny firenena 196 isa.

Voarakitra ao amin’ny tranokala fa ny governemanta rehetra eran’izao tontolo izao dia manana andraikitra amin’ny fampandehanana ny toekareny. Misy nefa ny firenena sasantsasany aty Afrique misedra olana amin’ny fitomboana ara-bola noho ny anton-javatra anatiny sy ivelany. Misy kosa nefa ireo nahay nitantana ny fisondrotan’ny vidim-piainana.

Lohalaharana amin’izany aty Afrique i Rwanda (différentiel : 13,8%) raha ny tatitra. Arahin’i Ghana (10,5%) sy Soudan du Sud (7,5%) izany. Tafiditra ao amin’ny lisitrin’ny 10 voalohany koa i Maurice (5,9%) izay eo amin’ny laharana faha-8.

Laisser un commentaire