Ambohimangakely : Nahazo anjara tamin’ny fanampian’ny AFF ny EPP Ikianja
Nahazo anjara tamin’ny fanomezana avy amin’ny fikambanana Andry sy Fototra ho an’ny fampandrosoana (AFF) ny EPP Ikianja, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra indrindra tao anatin’ny fanolorana entana faobe, izay natolotry ny fikambanana izany, araka ny voalaza.
« Tafiditra indrindra ao anatin’ny ezaka ataon’ny fikambanana sy tanjona ny fizarana fitaovana isan-karazany eny ifotony mba hampivoatra sy hanampiana ireo mponina. Tsy mijanona eto amin’ny faritra Analamanga ihany izany fa miperitra ary mahazo anjara avokoa hatrany amin’ireo faritany izay hisaorana ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpanohana hatrany ahafahana manatanteraka izany » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana.
« Hisaorana lehibe ny fikambanana amin’ny tolotra izay nataon’izy ireo satria mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny fanabeazana ny hetsika tahaka izao. Ny dabilio izay anisan’ny fitaovana fototra ilain’ny sekoly kanefa natolotr’izy ireo izany ho fanohanana ny sekoly » hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny sekoly.
Marihina moa fa dabilio miisa 15 no natolotry ny fikambanana ho an’ny EPP Ikianja. Fitaovana isan-karazany toy ny harato, fitaovam-pianarana, cahier, fandriana sy kidoro ho an’ny hopitaly, jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro kosa no nozarain’ny fikambanana tany amin’ny faritra.
Manitra R.
