Ny maha zava-dehibe ny asa tanana eto amin’ny firenena.
Manana anjara toerana lehibe amin’ny toe-karena malagasy ny fanaovana asa tanana noho izy misehatra amin’ny tsena iraisam-pirenena sy tsena anatiny. Mendrika fanohanana noho izany izy ireny mba hahafahany mihatsara kokoa ka hitondra avo ny anaran’i Madagasikara. Niara-niasa ny avy ao amin’ny fikambanana Fitia sy ny UNFPA ary ny ministeran’ny asa tanana tamin’ny fananganana ivon-toeram-pamokarana asa tanana. Teny amin’ny CENAM Andavamamba no toerana nananganana azy ary natokana ho an’ny seha-pihariana hoditra sy tanimanga izany aloha. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fampivoarana ny asa manodidina ny asa tanana sy ny fanehoam-pahaizan’ireo mpanao asa tanana ity toerana ity. Izany ihany koa dia hahafahan’ny mpanao asa tanana manome vokatra manaraka ny kalitao takian’ny tsena anatiny sy iraisam-pirenena. Hirariana ihany koa mba hahaleo tena tanteraka izy ireo amin’ny sehatr’asa sahaniny tsirairay avy. Ilaina tokoa ny fitrandrahana ny asa misy rehetra eto amintsika mba hahaleo tena avy ka tsy hisy intsony ny tsy an’asa fa hiezaka amin’ny tsaratsara kokoa hatrany isika.
Nicole Rafalimananjara
