Tunisie : Mpifindra monina 6 maty tao amin’ny « désert »
Olona 6 ho hita faty ny tao amin’ny « désert » Sahara ao Tozeur ny
herinandro lasa teo. Vehivavy 2 ary zaza 4 no hita tamin’izany raha ny
loharanom-baovao. Efa roa kilometatra ny sisin-tanin’ i Algérie kosa no
hita ireto faty ireto ary matin’ny hafanana sy ny hetaheta izy ireo.
“Ahoana no mbola hasaina mamakivaky ny « désert » amizan’izao hafanana
izao?” hoy ny tale jeneralin’ny Croissant-rouge ao Tunisie. Efa mahatratra
50° mantsy ny mari-paha ao amin’ny « désert » an’i Tozeur raha ny
fanazavany.
