Tatitra

République Démocratique du Congo : Olona efatra no lavon’ny Ebola.

Mbola tsy resy ny Coronavirus dia efa miverina mipoitra indray ny Ebola any RDC. Olona efatra hatreto no voalaza fa matin’ity aretina ity hatramin’ny niverenany indray ny 7 febroary lasa teo, indrindra ho an’ireo mponina any amin’ny faritra atsinanan’ity firenena ity. Nanambara ny mpitondra any an-toerana fa manao antsirambina ny fepetra ara-pahasalamana ny mponina. Misy ihany koa ireo manohitra izany fepetra izany ka mampirongatra ireo aretina roa mamely an’i RDC ireo.

Laisser un commentaire