Algérie : Olona manodidina ny 34 no namoy ny ainy noho ny famaizana
Nisehoana tranga famaizana goavana tao avaratra sy atsinanan’i Algérie. Raha ny antontan’isa navoakan’ny tompon’andraikitra dia olona manodidina ny 34 no maty vokatr’izany ary miaramila ny 10 tamin’ireo. Manoloana ny tranga kosa di nitondra teny fampihononana ho an’ny fianakavian’ny niaram-boina ny filoha tao an-toerana, Abdelmadjid Tebboune.
Marihana fa isan’ireo toerana misedra ny onjan’hafanana i Algérie ary mitarika famaizana goavana ao an-toerana izany. Raha ny tatitra dia tafiakatra 48°C ny hafanana tamin’ireo faritra sasantsasany tao amin’ny firenena. Prefektiora 16 kosa no voakasiky ny afo, indrindra ny tao Béjaïa, Bouira ary Jijel. Manoloana izany dia olona 1 500 isa ihany koa no nalàna ny toerana raha ny fanamafisan’ny minisitry ny atitany ao Algérie.
