PolitiqueTatitra

France : Mihamafy ny hetsika ataon’ireo mpamboly

Mihamafy ny hetsika fitakiana nataon’ireo mpamboly, any amin’ny kantinanta Eoropena, amin’izao fotoana. Hatramin’ny omaly, nihitatra nanerana an’i Frantsa izany hetsika izany. Vokany, maro ireo lalana tapaka vokatry ny fibahanana sy fitokonana nataon’ireo mpanao fihetsiketsehana. Ity hetsika ity izay hetsi-panoherana ataon’ireo tantsaha any an-toerana manoloana ny fiantraikan’ny ady sy ny famokaran’izy ireo. Nilaza ireo tantsaha, fa tsy hijanona ary hihamafy hatrany izany fitakiana izany raha tsy misy ny fandraisana fepetra matotra avy amin’ny governemanta any an-toerana.

Laisser un commentaire