Italie : Niverina nosokafana ny fanadihadiana mahakasika ny nahafatesan’ilay mpikaroka Italianina tao Caire ny taona 2016
Olona efatra, voalaza ho mitana andraikitra amin’ny sampan-draharaha ambony ejiptianina no niakatra teo amin’ny fitsarana tao Roma tamin’ny talata teo, mahakasika ilay raharaha nahafatesana mpianatra doctorant Italianina, tany Caire, Egypte, ny taona 2016. Voapanga ho naka an-keriny, nampijaly ary namono an’i Giulio Regeni izy ireo tao anatin’izany. Hatramin’izay, tsy voafaritra ary tsy hita mazava ireo tomponantonga tamin’ity tranga ity. Tamin’ity fotoam-pitsarana ity moa, tsy tonga nanatrika izany ireo voampanga miisa efatra ireo ; dia ny jeneraly Tareq Saber, ny kolonely Aser Kamal sy Hicham Helmi ary ny kaomanda Madgi Cherif. Anisan’ny nanimba ny fifandraisana teo amin’ny firenena Egypte sy Italie ity tranga ity.
