ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Tafapetraka ny takelaka momba ny asa fananganana ny « sous station » amin’ny tetikasa PRIRTEM I

Tontosa ny alatsinainy teo ny fametahana ireo takela fampahafantarana ho an’ny mponina manodidina rehetra, momba ny asa fananganana « sous station » tao Manazary sy Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy. Tonga nanao fampahafantarana ny mponina teny an-toerana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny sy avy amin’ny ministeran’ny angovo sy akoranafo (MEH).

« Nisy ny fihainoana ireo hetahetan’ny mponina sy ny famaliana ireo fanontaniana napetrany. Marihina fa mbola hisy koa ny fanaovana fampahafantarana toy ny eto, hatao amin’ireo toerana hananganana « sous station » any Manjakandriana, Moramanga, Brickaville ary Toamasina » hoy ny avy amin’ny ministera.

« Raha jerena ny fanatanterahana ity tetikasa ity dia mbola aharitra an-taonany maro ny fanatanterahana azy. Hirariana mba ho vita soa aman-tsara izany fa tsy hijanona eny an-tenantenany satria mety hanimba sy hanakorontana ny tontolo iainana sy ny mponina manodidina izany » hoy i Aina, mpirotsaka an-tsitrapo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Tsiahivina fa ny tetikasa PRIRTEM I dia hiompana amin’ny fampitohizana an’i Toamasina amin’Antananarivo, hananganana Tambazotra (mirefy 267 km) mitondra herinaratra mahery vaika hatramin’ny 220.000 V. Tanjona ny hanatsarana ny tambazotra mitondra herinaratra, sy ny hampitomboana ny isan’ny vahoaka misitraka izany.

Laisser un commentaire