Fanatanjahantena : Hangarahara tanteraka ny fizarana ny fanomezana avy amin’ny CAF
Amin’ny lalao iraisam-pirenana toy ny CHAN izay nahatafiakatra ny Barea ho amin’ny dingan’ny manasa-dalana toy izao dia misy hatrany ny vola izay hatolotry ny CAF. Ireo ekipa rehetra tafiakatra amin’ny digan’ny ampahefa-dalana no misitraka io vola io ka anisan’izany ny Barea. Hatramin’izay anefa dia ahitana olana hatrany ny fizarana izany izay tsy fantatra mazava ny tena fandehany. Nanazava ny mahakasika izay ny avy ao amin’ny FMF.
« Hangarahara tanteraka ny fizarana io « prime » io ary tsy misy ny fahasamihafana fa samy hahazo ny anjarany mitovy avokoa ireo mpilalao. Handray amin’izany avokoa ireo mpilalao rehetra na ireo niakatra teny ambony kianja na ireo mbola tsy nikatra satria azo lazaina fa nitondra zavatra tsara ho an’ny ekipa ny fisian’izy ireo na dia eo amin’ny lafiny fahaizana miara-miasa sy mifanohana aza. Amin’ny maha Ray aman-dreny an’ny Barea ny FMF dia tsy misy tombo sy ala fa hitovy ary anaty fangaraharana tanteraka ny fizarana io vola io », hoy i Victorien Andrianony, Filohan’ny FMF mpisolo toerana.
« Mbola tsy fantatra ny sandan’io vola hatolotry ny CAF io fa azahoana avokoa ny ampahefa-dalana sy ny manasa-dalana ary ny dingana famaranana izay hirariana ny hahatongavan’ireto Barea ireto amin’izany », hoy hatrany ny fanazavana avy ao amin’ny FMF.
« Maro ireo milaza fa tokony ho an’ny mpilalao irery ihany ilay prime. Mbola mila tsinjovina ny ho avin’ny baolina kitra. Teo ihany koa ireo fandaniana isan-karazany tamin’ny fanomanana ireny lalao ireny. Mahazo ny anjarany ny mpilalao izay sahiko ny milaza fa tsy kely fa mahazo ny anjarany ihany koa ny fantsarana ny baolina kitra malagasy, ny fanampiana ny FMF izay nikarakara ny mahakasika ny fanomanana rehetra. Olombelona sy sehatra maro no miara-misalahy hahazoana vokatra tsara toy ireny ka samy tsy maintsy mahazo ny anjarany avokoa », hoy i Mirindra, mpanao fanatanjahantena amin’ny sehatra hafa tamin’ny fanehoan-keviny.
Manao antso avo ny avy ao amin’ny FMF ny amin’ny fitsenana makotrokotroka ireto Barea ireto amin’ny fiverenany. Ao anatin’izany ihany koa ny fanohanana azy ireo hatrany satria mbola mafy ny ady hatrehan’izy ireo izay fanirian’ny Malagasy rehetra ny hitondran’izy ireo ny amboara aty Madagasikara. Azo itokisana tsara ireto Barea ireto ka izay no maha zava-dehibe ny fanohanana.
Miora Raharisolo
