Fitsarana : Mbola voarararan’ny lalàna hatrany ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana eto Madagasikara
Dépêche 31 janvier, 13h, Raha toa ka misy ireo firenena efa manome alalana ny olona mitovy fananahana hivady dia mbola tsy misy kosa izany eto Madagasikara araka ny lalàna laharana 2007-022 tamin’ny 20 aogositra 2007 izay manambara ny mbola tsy faneken’ny firenena Malagasy izany. Araka izany dia mbola tsy afaka manome izany fahazoan-dalana izany ny Masoivohon’ny Madagasikara any Frantsa ho an’ireo Malagasy izay mipetraka any Frantsa amin’izao fotoana izao. Mifanohitra amin’ny kolontsaina tanteraka izany ka mbola sarotra ny fanekena azy raha ho an’ny Malagasy.
