Dépêches

Antsohihy : Zaza 2 volana nisy nanary

03 Febroary, 09h00. Zazakely 2 volana no hitan’ny olona nisy nanary teo am-povoan’ny arabe omaly manodidina ny  tamin’ny 12 ora atoandro teo tao amin’ny fokontany Ambalabe andrefana Antsohihy.Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa ny vadikelin’ilay rangahy rain’ny zaza no nanary azy. Nangata-bola tamin’io lehilahy io ity ramatoa ity ka tezitra rehefa tsy nahazo ary nariany ny zaza. Marihana fa efa eo am-pelantanan’ny reniny ilay zaza ankehitriny ary nalainy omaly hariva ihany.

Laisser un commentaire