Rivodoza : Miditra ao anaty faritra mavo ny faritra sasan-tsasany
03 Fevrier, 08h00.Manomboka androany amin’ny 10 ora dia miditra ao anaty faritra mavo i Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Analamanga, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Antalaha, Mandritsara, Tsaratanana ary Taolagnaro. Manomboka ny zoma kosa dia efa miova faritra mena izany, miankina amin’ny fivoaran’ny rivodoza.Raha ny vinavinain’ireo mpamantatra ny toetr’andro dia hiditra eto amin’ny nosy ny sabotsy 5 febroary izao tolakandro eo anelanelan’i Vatomandry sy Mananjary ny rivodoza Batsirai.
