Dépêches

Fiarovam-pirenena : Efa miomana amin’ny fandalovan’ny rivo-doza ireo miaramila

03 Febroary, 07h00. Efa miomana amin’ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai ireo Kaomandin’ny Fari-piarovana sy Fandriampahalemana amin’ireo faritra handalovan’ny rivo-doza. Efa niroso tamin’ny fanapahana ireo hazo ahiana hitera-doza ao Manakara sy Tolagnaro ireo miaramila any an-toerana. Nanentana ny mponina ihany koa izy ireo handray fepetra fisorohana ny mety ho loza rehetra.

Laisser un commentaire