ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Hofantarina amin’ity volana febroary ity ny momba ny faritra mando

Ankalazaina isaky ny 2 febroary ny andro maneran-tany ho an’ny faritra mando. Ahitana ny endrika faritra mando maro samihafa eto Madagasikara.

« Antoky ny fiainan’ny zava-manan’aina rehetra ny faritra mando. Miantoka ny fahampian-dranon’ny mponina ihany koa izy ka tsy tokony hototorana. Miantoka ny fahavelomana mihitsy ny faritra mando » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. « Fotoana izao hanamafisana ny fanentanana sy fanarenana ny faritra mando. Tsapa fa nihena ny famatsian-drano eto amintsika noho ny fanotorana ny faritra mando. Efa nisy ny ezaka natao ho fiarovana ny faritra mando. Mbola maro anefa ny ezaka » hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Raharinirina Baomiavotse Vahinala.

« Tsy afaka miaina tsy misy rano isika. Tsy afaka miaina ao anaty ny toerana dibo-drano ihany koa anefa isika. Ny faritra mando no hanampy antsika amin’izany rehetra izany » hoy i Ando, mpianatra mikasika ny tontolo iainana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. « Miahy faritra mando, miahy ny olombelona sy ny zavaboahary ; tsy totorana fa miantoka ny fahampian-dranon’ny mponina, tsy simbaina fa miantoka ny fahavelomana » izany no lohahevitra amin’ity fankalazana ity. Hofantarina bebe kokoa amin’ity volana febroary ity ny mikasika ny faritra mando. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire