France : Inona ny tantaran’ny « baccalauréat » ?
Avy amin’ny teny latina hoe « couronne de lauriers » ny « baccalauréat ». Efa tany amin’ny taon-jato faha 13 izy no nisy ary ny oniversite tao France no nampiasa azy voalohany tamin’izany. Mpianatra nahavita taom-pianarana 3 na 4 taona tao amin’ny fakiolte momba ny zava-kanto, ny fitsaboana, ny teolojia ary ny lalàna ny oniversite no nahazo azy.I Napoléon kosa no nanova ny rafiny taty aoriana rehefa niova ho « grande école » ny oniversite. Navaoziny izany nandritra ny « révolution française », taona 1808 ka ireo fakiolte voakasika ihany no nanao azy ary adina roa ihany no natao tamin’izany, ny « baccalauréat ès lettres » sy ny « baccalauréat ès sciences ». Ambava ny « baccalauréat » hatramin’ny taona 1830 ary ny taona 1919 izy vao nahazo nandraisan’ny vehivavy anjara tamin’ny fomba ofisialy na dia efa nisy vehivavy iray nahazo izany azan y taona 1861.
